Psalms 22

Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan’ ny fanjakan’ Andriamanitra

Ho an’ ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon’ i Davida.

1

2Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin’ ny fitarainako. 3Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho. 4Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely. 5Hianao no nitokian’ ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao. 6Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy. 7Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan’ olona sy fanevatevam-bahoaka. 8Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe: 9Ankino amin’ i Jehovah
Na: Efa niankina tamin’ i Jehovah izy.
, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.
10Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin’ ny reniko; 11Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao. 12Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy. 13Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’ i Basana manemitra ahy. 14Misanasana vava amiko izy; eny, liona mamiravira sy mierona izy. 15Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy. 16Maina tahaka ny tavim-bilany ny heriko, ary ny lelako miraikitra amin’ ny lanilaniko; ao amin’ ny vovoky ny fahafatesana no ametrahanao ahy. 17Fa mitangorona amiko ny amboa, ny fiangonan’ ny ratsy fanahy manemitra ahy. Manindrona ny tongotro aman-tanako izy
Na: Manodidina ny tongotro aman-tanako hoatra ny liona izy.
18Mahisa ny taolako rehetra aho ireo dia mibanjina sady mangarika ahy. 19Mizara ny fitafiako ho azy izy; ary ny akanjoko ilokàny. 20Fa Hianao, Jehovah ô, aza manalavitra; ry Heriko ô, faingana hamonjy ahy. 21Vonjeo amin’ ny sabatra ny fanahiko, dia ny hany malalako amin’ ny herin’ ny amboa. 22Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga
Na: teo amin’ ny tandroky ny ombimanga dia novalianao aho.
.
23Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko aho; eo amin’ ny fiangonana no hideràko Anao. 24Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra. 25Fa tsy manao tsinontsinona na marikorikon’ ny fahorian’ ny ory Izy, ary tsy mba manafina ny tavany aminy; fa raha mitaraina aminy ireny, dia mihaino Izy. 26Avy aminao no ahazoako manao fiderana eo amin’ ny fiangonan-dehibe; ny voadiko dia hefaiko eo anatrehan’ izay matahotra an’ i Jehovah. 27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo. 28Hahatsiaro ka hiverina ho amin’ i Jehovah ny faran’ ny tany rehetra; ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ ny firenen-tsamy hafa. 29Fa an’ i Jehovah ny fanjakana; ary manapaka amin’ ny firenen-tsamy hafa Izy. 30Hihinana sy hiankohoka ny mpanefoefo
Heb matavy.
rehetra ambonin’ ny tany, eo anatrehany no hiondrehan’ izay rehetra efa hidina any amin’ ny vovoka ka tsy mahavelona ny ainy.
31Hisy taranaka hanompo Azy; ary ny Tompo dia holazaina amin’ ny taranaka ho avy. 32Hisy ho avy ka hanambara ny fahamarinany, amin’ ny olona izay mbola hateraka, fa Izy no nanao izany.
Copyright information for Mg1865